Luke 19

1Niditra Jesosy ary nandalo an’i Jeriko. 2Indro, nisy lehilahy izay nantsoina hoe Zakaiosy teo. Izy dia lehiben’ny mpamory hetra sady nanan-karena.

3Niezaka ny hahita izy hoe iza Jesosy, kanefa tsy afaka nahita tao anaty vahoaka, satria fohy izy. 4Koa nihazakazaka nialoha ireo olona izy ary nihanika hazon’aviavy anankiray mba hahita Azy, satria handalo amin’izany lalana izany Jesosy.

5Nony tonga teo amin’ilay toerana Jesosy, dia niandrandra Izy ka niteny taminy hoe: “Ry Zakaiosy, midina faingana, fa anio dia tsy maintsy hijanona ao an-tranonao Aho.” 6Dia nidina faingana izy ary nandray Azy tamim-pifaliana. 7Rehefa nahita izany ny rehetra, dia nitaraina avokoa, niteny hoe: “Niditra hamangy lehilahy izay mpanota Izy”

8Nitsangana Zakaiosy ka niteny tamin’ny Tompo hoe: “Jereo, ry Tompo, ny atsasaky ny fananako dia omeko ho an’ny mahantra, ary raha toa ka nisy zavatra nanambakako olona, dia honerako avo efatra heny.” 9Jesosy niteny taminy hoe: “Androany ny famonjena no tonga ato amin’ity tokantrano ity, satria izy koa dia zanak’i Abrahama. 10Fa ny Zanak’Olona dia tonga mba hitady sy hamonjy ireo olona izay very.”

11Raha nandre izany zavatra izany izy ireo, dia nanohy niteny Izy ary nanao fanoharana anankiray, satria teo akaikin’i Jerosalema Izy, ary izy ireo nieritreritra fa hiseho teo noho eo ny fanjakan’Andriamanitra. 12Noho izany Izy dia niteny hoe: “Nisy tandapa iray nandeha tany an-tany lavitra mba hahazo fanjakana ho an’ny tenany ary hiverina avy eo.

13Niantso folo lahy tamin’ireo mpanompony izy, ary nanome farantsa folo azy ireo, ary niteny tamin’izy ireo hoe: ‘Manaova raharaham-barotra mandra-piveriko.” 14Kanefa ireo vahoakany nankahala azy ary nandefa solontena nanaraka azy, niteny hoe: ‘Tsy ilainay ny hanjakan’io lehilahy io eto aminay.’ 15Ary rehefa niverina indray izy, avy nandray ny fanjakana, dia nandidy ireo mpanompony izay nomeny vola mba ho eo aminy izy, mba hahafatarany izay tombony azon’izy ireo tamin’ny fanaovana raharaham-barotra.

16Tonga teo anoloany ny voalohany, niteny hoe: ‘Tompo, ny farantsanao dia nahazo tombony farantsa folo mihoatra.’ 17Niteny azy ilay tandapa hoe: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara. Noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia kely, dia hanam-pahefana amin’ny tanàna folo ianao.’

18Tonga ilay faharoa, niteny hoe: ‘Ny farantsanao, tompo, dia nahavita farantsa dimy.’ 19Ary niteny taminy ilay tandapa hoe: ‘Hiandraikitra tanàna dimy ianao.’

20Tonga ny iray hafa, niteny hoe: ‘Tompo, indro ny farantsanao, izay notehiriziko tsara tao anaty lamba, 21fa natahotra anao aho, satria lehilahy masiaka ianao. Ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.’

22Niteny taminy ilay tandapa hoe: ‘Amin’ny teninao manokana no hitsarako anao, ianao ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa izaho dia lehilahy masiaka, maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko. 23Koa nahoana no tsy napetrakao tany amin’ny mpitahiry vola ny volako, ka rehefa niverina aho dia ho nandray izany niaraka tamin’ny zanany?’

24Ilay tandapa niteny tamin’ireo izay nijoro teo akaiky teo hoe: ‘Esory aminy ny farantsa, ary omeo an’ilay manana ny farantsa folo.’ 25Ary hoy izy ireo taminy hoe: “Tompo, manana farantsa folo izy.’

26‘Izaho miteny aminareo, fa izay rehetra manana dia homena mihoatra, fa izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia ho alaina. 27Fa ireo fahavaloko, ireo izay tsy naniry ahy hanjaka eo amin’ izy ireo, ento aty izy ireo ary vonoy eto anoloako.’”

28Rehefa avy nilaza an’ireo zavatra ireo izy, dia nandeha nialoha, niakatra ho any Jerosalema.

29Ary nony tonga teo akaikin’i Betifaga sy Betania Izy, teo amin’ny tendrombohitra antsoina hoe Oliva, dia naniraka ny roa tamin’ireo mpianany Izy, 30niteny hoe: “Mandehana any amin’ny tanàna manaraka. Rehefa miditra ianareo, dia hahita zana-boriky iray mbola tsy notaingenan’olona mihitsy. Vahao izany dia ento aty amiko. 31Raha misy manontany anareo hoe: ‘Nahoana no vahanareo io?’ dia lazao hoe: ‘Misy ilàn’ny Tompo azy.’

32Ireo izay nirahina dia nandeha ary nahita ilay zana-boriky araka ny nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo. 33Raha teo am-pamahana ny zana-boriky izy ireo, dia hoy ireo tompony tamin’izy ireo hoe: “Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?” 34Niteny izy ireo hoe: “Misy ilàn’ny Tompo azy.” 35Noentin’izy ireo tany amin’i Jesosy izany, ary napetrak’izy ireo teo ambonin’ny zana-boriky ny lambany ary nametraka an’i Jesosy teo amboniny. 36Raha nandeha iny Izy, dia novelarin’izy ireo teo amin’ny lalana ny lamban’izy ireo.

37Ary rehefa nanakaiky an’ilay toerana fidinana amin’ny Tendrombohitr’Oliva Izy, dia nanomboka nifaly ireo mpianany maro be ary nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mafy nohon’ny asa lehibe rehetra izay hitan’izy ireo, 38niteny hoe: “Deraina anie ny mpanjaka izay avy amin’ny anaran’ny Tompo! Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo indrindra!”

39Ny Fariseo sasany teo amin’ny vahoaka dia nilaza taminy hoe: “Mpampianatra ô, teneno mafy ireo mpianatrao.” 40Namaly Jesosy ary niteny hoe: “Lazaiko aminareo, fa raha mangina ireo, dia hikiaka ny vato.”

41Rehefa nanatona ny tanàna Jesosy, dia nitomany azy, 42niteny hoe: “Raha mba fantatrao mantsy amin’izao andro izao, eny ianao, ireo zavatra izay mitondra fiadanana ho anao! Nefa ankehitriny ireny dia miafina amin’ny masonao.

43Fa ho avy aminao ireo andro, izay hananganan’ny fahavalonao manda manodidina anao, ary hanodidina anao, ary hanery anao amin’ny lafiny rehetra. 44Izy ireo dia hampianjera anao amin’ny tany miaraka amin’ny zanakao. Tsy hamela na dia vato iray mifanaingina aza izy ireo, satria ianao tsy nahafantra izany fony Andriamanitra niezaka ny hamonjy anao.”

45Niditra tao an-tempoly Jesosy ary nanomboka nandroaka ireo izay nivarotra, 46niteny tamin’izy ireo hoe: “Efa voasoratra hoe: ‘Ny tranoko dia natao trano fivavahana,’ fa ianareo kosa nanao izany ho zohy fieren’ireo jiolahy.”

47Koa dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Jesosy. Ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna ary ireo mpitarika ny vahoaka dia nitady hamono azy, fa tsy nahita fomba hanaovana izany izy ireo, satria nazoto nihaino Azy avokoa ny vahoaka rehetra.

48

Copyright information for PltULB